« Retour au blog de smoothjazz

CLIP

TOVO J'HAY, POOPY, BODO, NANIE, MALALA, LALIE

RAHA TIA MOZIKA,

Tovo J'hay
Te mba hiara hikalo aminao aho, Hitondra hafanana vaovao aho
Izay ilay tsy ahafoizako anao, Ilay tena tiako any aminao
Rehefa mba mangingina aho indraindray,Ilay endrikao no indro eo
Mameno fo sy reko feo, Mibadabada tsy mety miato


Poopy
Tsaroako foana ilay fanao ahy, Ireo teny mambabo fo
Tsy mba foiko tokoa, Miverimberina foana ao antsaiko tato ho ato


Lalie
Lay resatsika omaly, Mamelovelo tsy mampatory ahy
Ka n'aiza n'aiza misy anao any ho any, Hijery anao aho na androany androany


Ref : Raha toa ianao ka tia mozika, Dia mba hiara hikalo aminao aho
Raha toa manerika na mangatsika, Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any, F'izay ilay tsy ahafoizako anao
Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy, Ilay tena tiko any aminao


Malala
Tsahivintsika kely aloha iray minitra, Ireo kely rehetra efa vita hatrizay
Natao tamin'ny fo niraisantsika, Mitondra ny fiainana ho avy izay mbola tsy hita


Nanie
Tsikaritro fa tsy ianao ihany no tojo fisainana toy izany, Mieritreritra lasa vinany, Maniry tontolo vaovao tena tonga lafatra

Bodo
Matotra angamba ny androany, Sanantria tsy hanihany
Lazaiko zaraiko aminao izay efa niainako hatrizay


Ref : Raha toa ianao ka tia mozika....

Sambatra ianao izay, Tony fo sy fanahy
Mahay mandray, mahay miara dia
Toy ny olona mifankatia

Raha toa ianao ka tia mozika...

Dia ho sambatra izaho sy ianao
# Posté le vendredi 23 février 2007 13:57

« Article précédent : ALBUMS

Article suivant : CLIPS »