« Retour au blog de smoothjazz

EXTRAIT D'UN POEME DE RADO sur Poopy

EXTRAIT D'UN POEME DE RADO sur Poopy
NOUVEAUTE!!! 40 CLIPS DISPO EN PAGE 19

POOPY

Malefaka fitopy
Ilay masony miangoty
Ka maha te hioty!

Indrindra indrindra moa,
ananany ihany koa

Ny hatsaran-tarehy,
ny tsiky sy ny hehy

Ny endrika sariaka
miaraka amim-bika

Voarefy
tsara tefy

Tsy namboamboarina
fa ny tena marina

Nomen'ilay Mpahary,
ka voantana an-tsary

Ireo rehetra ireo
ampian'izato feo

Manga sy malefaka
dia mametrapetraka

Fiadanan-tsaina
mamelombelona aina

Hanjary ho hasambaran'
ny isam-baravarana

(. . .)

RADO ici

07 JUILLET 1999
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le vendredi 09 février 2007 18:07
Modifié le mardi 27 novembre 2007 04:40

« Article précédent : POOPY sy ny Tariny

Article suivant : CLIPS »